airtel

Fandriampahalemana

12-août-2022

Fandriampahalemana

Jiolahy nahafaty olona tany Ambositra Maty voatifitra teny amin’ny Fasan’ny karana,

Sample post image

Taorian’ilay fanatsatohana antsy ireo olona mianaka avy nivarotra narahina jiolahy tamin’ny 27 Jolay lasa teo tany

12-août-2022

Ambositra dia nitsoaka teto Antananarivo itsy voalohany ka natao ny sava hao. Sarona soa aman-tsara tetsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana izy andro vitsy lasa izay ka nentina niverina tany Ambositra mba hatao fanadihadiana. Ny loza anefa dia mbola niezaka ny nandositra ihany ity jiolahy ity ka voatery notifirin’ny polisy ary tsy tana ny ainy fa nanaraka azy mianaka novonoiny koa. Raha tsiahivina kely ny tantara dia an-dalana hody izy mianaka ireo no notafihin’ity jiolahy ity. 40 taona ilay Reniny raha 18 taona ilay zanany lahy. Ilay Ramatoa no notsatohan’ity jiolahy ity antsy voalohany ka nalainy ny vola rehetra tany aminy. Niezaka ny nanenjila io jiolahy maty io ilay zanany 18 taona nandritra izany saingy mbola notsenain’ilay tsy mataho-tody tamin’ny antsy ihany ary namoy ny ainy ihany koa.
Pati
Legende : Maty koa ilay jiolahy namono nahafaty azy mianaka !
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap