airtel

Fandriampahalemana

26-janv-2026

Jiolahy raindahiny miisa 3

Maty voatifitry ny Polisim-pirenena teny 67 Ha

Sample post image

Jiolahy raindahiny miisa 3 no maty voatifitry

26-janv-2026

ny Polisim-pirenena nandritry ny fisafoana nataon’ny UIR, ny marainan’ny sabotsy teo, teny amin’iny 67 Ha iny, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Noheverin'ireo olo-dratsy fa olon-tsotra ireo Polisy nanao fanamiana sivily ka saika ho endahin'izy ireo, raha ny fanazavàna. Rehefa hitan'ireo olon-dratsy fa mpitandro filaminana no nifanehitra taminy dia nitifitra sady nandositra ka raikitra ny fifanenjehana. Vokany, 3 no lavo raha tafaporitsaka kosa ny 2 ambiny. Tavela teny an-toerana ny basy poleta iray mbola mifahana sy misy bala miisa 3 ary antsy maranitra iray. Anisan’ireo jiolahy raindahiny mpanendaka eny amin’ny manodidina ny moske 67 Ha izy ireo, hoy hatrany ny Polisim-pirenena.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap