airtel

Fandriampahalemana

21-févr-2024

KAOMININA ALASORA

Jiro miisa 700 no hapetraka any an’elakelan-trano

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy.

21-févr-2024

Miseho amin’ny endriny maro samihafa izany izay mihafara amin’ny vono olona mihitsy raha tsy lazaina intsony ny hala-botry sy ny vaky trano. Anisan’ny antony hanaovan’ny kaominina Alasota, tarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ezaka ny ady hatao amin’izany tsy fandriampahalemana izany. Hitohy ny fametrahan’izy ireo jiro any an’elakelantrano izany manomboka amin’ity taona 2024 ity. Miisa 700 no indray hapetraka raha efa nametrahana jiro miisa 800 kosa teny an-dalambe tao anatin’ny efa-taona nitondran’ity Ben’ny tanana ity izay . Saika nahazo tombony tamin’izany avokoa ireo Fokontany miisa 20 raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ny asa nivaingana vitan’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany ihany koa tao anatin’izay efa-taona izay ny fanoloana ny paositry ny zandarimariam-pirenena ho lasa borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Tanjona ny hahafahana mampitombo ny isan’ny zandary miasa ao Alasora. Mitombo fatratra mantsy ireo mponina mipetraka eny amin’iny faritra iny ka tsy maintsy hampitomboana ihany koa ny mpitandro ny filaminana mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy milamina.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora, distrikan’Avaradrano !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap