airtel

Fandriampahalemana

23-févr-2024

Kaominina Jangany distrikan’i Betroka

Vehivavy varira 40 taona maty notapahan-doha

Sample post image

Nitrangàna famonoana olona manana toe-tena varira tany amin'ny Fokontany Akorabe,

23-févr-2024

Kaominina Jangàny, anatin’ny Distrikan'i Betroka, Faritra Anôsy, ny alarobia hifoha ny alakamisy 15 febroary, raha ny tatitra nataon’ny Fikambanana Albinos Madagascar omaly. Vehivavy 40 taona manan-janaka iray izy io, ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana satria notapahana ny lohany, raha ny vaovao voarain’izy ireo. Araka ny vaovao azonay hatrany, dia efa nisy olona voarohirohy tamin'ity tranga ity no niakatra fitsarana ny omaly alarobia 21 Febroary ary vantany vao niseho ity tranga ity dia efa nandray ny andraikiny avy atrany ny Lehiben'ny Zandry any Jangàny sy Betroka ka nahitana ireto olona voarohirohy ireto ary manaraka ankaiky ity raharaha ity ny avy ato amin'ny Fikambanana, hoy ny Albinos Madagascar omaly. Manamafy izy ireo fa ao anatin'ny tebiteby tanteraka ny varira sy ny fianakaviana amin'izao fotoana izao, ka miantso ny mpitondra mba handray ny fepetra hentitra, hanaraka hatramin'ny farany ny raharaham-pitsarana izay efa mandeha ka ivoahan'ny marina manoloana izao habibiana izao. Andrasana noho izany ny tohiny !
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

Card image cap
07-févr-2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

Card image cap
06-févr-2025

Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty

Card image cap