airtel

Fandriampahalemana

12-avril-2024

KARAZAN’ALIKA VAZAHA

Misy an-tapitrisany ny vidiny, hangalarin’ny sasany

Sample post image

Efa misy mahatratra 1 tapitrisa Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely iray amin’ireo karazany vazaha na chien de race.

12-avril-2024

2 hetsy Ar kosa no mora indrindra, raha araka ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny dia noho ny sakafon’izy ireny lafo dia lafo tokoa sy noho ny fikarakarana tsy maintsy hatao aminy no antony tena mahalafo ny vidiny. Manosika ireo olona sasany hanaotao foana ny fahafantarana izany ka tokony hitandreman’ireo manana na miompy azy ireny. Roalahy no indray tratra nangalatra alikan'olona chien de salon teny Ambohijanahary teny andro vitsy lasa izay. Tsy nampoizin’izy ireo ny fisian’ilay "caméra de surveillance" nandrakitra ny horonantsary momba ny halatra nataony hany ka noraisim-potsiny izy ireo rehefa avy nanaovana fikarohana. Raha araka ny fantatra dia nokasain’izy roalahy ireto hamidy teny Talatamaty ity alika kely ity saingy izao tratra izao. Efa naverina any amin’ny tompony moa ilay alika raha efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra kosa izy roalahy hanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Efa mahatratra 2 hetsy Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely voateraka tahaka itony amin’ny sary itony !

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap