airtel

Fandriampahalemana

07-déc-2022

Fandriampahalemana

Lehilahy iray teny Soavimasoandro Novakiany ny fiangonana, nobatainy ny fitaovana

Sample post image

Rangahy iray 35 taona no tratran'ny Polisy avy namaky trano omaly maraina tokony ho tamin'ny 05 ora teo ho eo teny Soavimasoandro.

07-déc-2022

Tamin'ny fotoana nanaovan'ireo Polisy fisafoana teny amin'iny faritra Soavimasoandro sy ny manodidina iny no nahitana ity lehilahy ity niaraka tamina karazan’entana maro. Notazomina avy hatrany izy noho ny fihetsiny hafahafa niaraka tamin'ireo entana hita teny aminy. Amplificateur miisa 02 sy table de mixage 01 no noentiny niaraka tamin'ny tandramokotra iray izay fantatra fa nampiasainy nanokafana ny trano izay novakiany. Rehefa nohadihadiana ity lehilahy dia niaiky fa entana avy nangalariny tao amin'ny fiangonana zandriny iray ao Soavimasoandro ireo fitaovam-panamafisam-peo ireo. Notazomina eny amin'ny biraon'ny Polisy avy hatrany moa ity farany nanaovana fanadihadiana. Ireo entana kosa dia mbola notazomina ao amin'ny biraon'ny Polisy mandrapavitan'ny famotorana ary hamerenana azy ireo any amin'ny tompony.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap