lasa teo tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro. Lehilahy iray 58 taona no nisy namono tamin’izany ka nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny zandary avy ao amin'ny borigady territoriale Brickaville sy ny dokotera. Tratra ny alin'io ihany ilay nahavanon-doza izay tsy iza fa ilay zana-drahavavin'ny vadiny izay notazaina tao antrano ihany, hoy ny vaovao. Araka ny voalaza moa dia disadisam-piaraha-monina no nahatonga azy hanao izany noho ny resaka tany lova. Olona efa mpamerin-keloka ity tovolahy ity, raha ny fantatra. Efa nanakan-dalana tamin'ny lalam-pirenena faharoa izy ny volana Aprily taona 2024. Olona avy eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika avy any Antananarivo hamita iraka tany Toamasina no novelesin'izy ireo ny fiara tsy mataho-dalana nentiny ka very tamin’izany ireo fitaovana marobe. Mbola tratra tao an-tranony ihany koa ireo fitaovana ireo saingy tsy fay ny tovolahy fa mbola izao nahavita namono ny olona nitaiza azy izao indray.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona