airtel

Fandriampahalemana

28-mars-2024

LEHILAHY VAO NIVOAKA NY FONJA

Tratra nitsindrona « héroïne » sy nanendaka

Sample post image

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

28-mars-2024

rehefa nanao sinto-mahery sy nitsindrona héroïne afak’omaly Talata 26 Martsa. Toy ny mahazatra mba hitandroana ny filaminana dia midina eny an-kianja manao fanamiana sivily ny Polisin'ny CSP4 manao fisafoana. Nandritra io fisafoana io indrindra no nahavoasambotra ireto lehilahy 04 mpanao sinto-mahery eny amin'ny manodidina an’Ambodin'Isotry sy Antohamadinika ireto. Nandritra ny fisavana azy ireo dia nahatratrarana héroïne sy fitaovana fitsondromana io zava-mahadomelina maherivaika io teny amin'izy ireo. Noentina niazo ny biraon'ny Polisy teny Isotry ireto farany ka fantatra fa efa mpamerin-keloka ny iray tamin'ny izy ireo ary vao tsy ela akory no nivoaka ny fonja teny Antanimora. Hiverina haka aina eny am-ponja indray Ingahirainy noho izany miaraka amin’ireo namany miisa telo.
Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy sy ireo fitaovana tratra teny aminy !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap