airtel

Fandriampahalemana

18-janv-2024

Loham-behivavy hita teny Antehiroka

Tombanana ho lohan’ilay faty hita teny Faravohitra

Sample post image

Sesilany ny zava-doza sy mampihoron-koditra saika manerana ny Firenena !

18-janv-2024

Loham- behivavy iray no hitan'ny olona teny amin'ny fanariam- pako teny Morondava Antehiroka ny tolakandron’ny omaly 17 janoary 2024. Efa noraisin’ny manam-pahefana an-tànana ny momba ity tranga hafahafa ity, ka raha ny tomban'ny dokotera dia afak’omaly no nahafaty io olona io. Heverina fa mety ho lohan'ilay ramatoa hita faty teny Mangarivotra Faravohitra hita tamin’ny toerana mangingina ny marain’ny talata lasa teo. Ity farany izay nifatotra ny tongony, nofonosina tao anaty spaonjy sy gony, avy eo nareiana. Tena vono olona feno habibiana, fahasahiana tsy roa aman-tany. Tsikaritra ho miha mahery vaika sy tena anatin’ny habibiana sy amin’ny fomba tsy mifaditrovana ny endriky ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Eo ny mety lonilonim-piarahamonina, fa ankehitriny dia tena vola an’aliny na an’hetsiny dia hahavitan’ny olon-dratsy mandatsaka ain’olona amin’ny fomba mahatsiravina, izay endriky ny fahasimban’ny fiarahamonina, fahasimban’ny soatoavina, taratry ny fahantrana sy toa efa maneho an-kolaka an’ilay hoe : mifampihinana ny olombelona ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap