airtel

Fandriampahalemana

13-mars-2023

Fandriampahalemana

Lonilonina mpanampy, ady tany,… Rotiky ny bala ireo namono talen-tsekoly mianaka

Sample post image

Nivoaka ny marina mikasika ilay raharaha famonoana an’ilay talen-tsekoly tao Antanimena, Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka, tranga niseho tamin’ny herinandro teo.

13-mars-2023

Ny mpanampiny teo aloha ihany no anisan’ny namono azy mianaka kely ireto niaraka tamin’ny namany telolahy raha araka ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Nanana lonilony tamin’izy mianaka ireto io mpanampy io rehefa nalana tamin’ ny asany ka ankoatra ny fanalana ny ain’izy ireo dia voalaza fa voaholan’ilay mpanampy sy ireo namany hafa ihany koa izy mianaka, hoy hatrany ny vaovao. Nisy ihany koa ny olana nateraky ny ady tany, izay anisan’ny antony hafa nanosika ny sasany hanafaka ny ain’izy mianaka ireto ihany koa. Kibota izay fantatra fa an’izy mianaka nalain’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny toerany ary nitadiavany mpividy ka hita teny amin’ny tsenan’Ambatondrazaka no nahafahana namantatra ny marina rehetra. Nitsoaka moa izy efa-dahy ireto taorian’ny nahatrarana azy, antony nitifiran’ny mpitandro ny filaminana azy ka samy namoy ny ainy avokoa. Miantso ireo mponina ao an-toerana araka izany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Manakambahiny Andrefana mba ho tony hatrany ary hifanome tanana sy hifanoem vaovao raha vantany vao misy tranga hafahafa.
Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy voatifitra efa mihampatrampatra !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap