airtel

Fandriampahalemana

10-mars-2026

Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina

Olona 3 no maty tany amin’ny RN 5A

Sample post image

Olona miisa 3, lehilahy 2 sy tovovavy

10-mars-2026

1 no maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga omaly maraina teny amin’ny RN 5A na lalam-pirenena faha 5A, Ambararata, kaominin’i Betsiaka, distrikan’Ambilobe, raha ny fampitàm-baovao voaray. Andeha hitondra marary any Ambilobe no anton-dian'izy ireo no izao tra-doza izao. Tafiditra tao amin’ny fiolahana tamin’ny hafainganam-pandeha mafy ny moto na kodiaran-droa ka nifandona tamin’ny fiara Mazda iray. Maty teo noho eo ny 2 ary namoy ny ainy teny an-dalana ny iray tamin’izy ireo. Olona iray ihany no naratra tao anatin’ilay fiara, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique