airtel

Fandriampahalemana

15-janv-2024

Madagasikara

Miparitaka ny zava-mahadomelina

Sample post image

Sesilany ny tranga fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika.

15-janv-2024

Nodorana tao amin'ny fokontany Ampasy ny rongony milanja 255 kilao mahery. Nanatrika izany ny lefitry ny prefen'i Morondava sy ny komandin'ny Kompanian'ny Zandarimaria, Capitaine Ramaroson Andriamanalina, ny 11 janoary teo, araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Nanentana ny rehetra mba hizara vaovao ny zandary nandritra izany, noho ity fiparirahan'ny rongony ity mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Marihina nampidirina am-ponja vonjimaika ny 9 janoary teo ny roa tamin'ireo telo lahy voasambotra noho ny raharaha trafikana rongony tany Morondava io, izay tratran'ny Zandary ny 28 desambra 2023, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Vao ny faramparan’ny taona teo ihany koa no nisian’ilay fahatrarana 800kg mahery saika hoentina aty an-drenivohitra, vao ny fiafaran’ity taona ity no nisian’ilay trafika tatsy Maorisy nahatrarana rongony manodidina ny 500 ka Malagasy 6 no vosambotra,… Na ny haparitaka ato anatiny na ny haondrana izany dia tena mirarakopana satria betsaka ireo tranga fahatrarana eny amin’ny fiarahamonina eny. Madagasikara ihany koa dia voasokajy ho toerana ihodinan’ny trafikana zava-mahadomelina na «plaque tournante ». Vao herintaona lasa izay no nisian’ireo rongony tamin’ny gony maro tratra tao Toamasina, izay nisy nakan’ny mpiambina ary niparitaka. Nalaza avy eo ny resaka roro sy ny tranga maro hafahafa. Vokany, mirongatra ny tsy fandriampahalemana, herisetra,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap