airtel

Fandriampahalemana

30-août-2023

MAHAMASINA

Tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpanendaka

Sample post image

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpanendaka eto an-drenivohitra. Mahavita mihoatra noho ny hataon’ny lehibe

30-août-2023

mihitsy izy ireny raha araka ny fantatra no sady mahay mandrebireby. Zazalahy kely iray vao 14 taona no voasambotry ny polisy teny Mahamasina omaly Talata 29 Aogositra tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro rehefa avy nanendaka. Ireo polisy misahana ny fandaminana ny za no nahatsikaritra ity tovolahy kely ity nanao ny asa ratsiny. Tsy niandry ela fa noraofina avy hatrany ity farany ka noentina nihazo ny biraon'ny polisy ary nomena ny sampandraharaha misahana ny zaza tsy ampy taona na ny PMPM etsy Tsaralalana. Tsiahivina fa saika tsy manam-piahy ny ankamaroan’ireny ankizy mpanendaka eto an-drenivohitra ireny na manan-dRay aman-dReny ihany fa tsy voafehy. Roa isan-kerinandro moa ireo zaza tsy ampy taona tratra manendaka eny an-tsena eny raha kely.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy ampy taona tratra nanendaka teny Mahamasina omaly !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap