airtel

Fandriampahalemana

15-févr-2024

Mahavelona Ankazobe

Olona 3 natao « kidnapping », mitaky 180 tapitrisa Ar ny dahalo

Sample post image

Tsy mety mandry ny tany ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Olona miisA 3 indray

15-févr-2024

mantsy no voalaza fa nisy naka an-keriny tany Volaniray Mahavelona ny alahady lasA teo. Renim-pianankaviana 2 sy lehilahy iray ireo natao « kidnapping » ireo ka voalaza fa volabe hatrany amin’ny 180 tapitrisa Ar no takian’ireo jiolahy, ary mandrahona ny hamono ireo olona lasany ireo olon-dratsy raha toa ka tsy voaloa io vola io. Manao antso avo manoloana izany tranga izany ny fianakaviana fa tena mahatsiaro mijaly sy mihorohoro fatratra, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Na tsy an-kitsitsy aza ny fisamborana ireo heverina fa olon-dratsy sy mpiray tendro aminy, toy ireo 30 mahery nidoboka am-ponja vonjimaika tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny tanànan’Andranomiely, dia mitohy ny fihantsian’ireo dahalo. Sanatrian’ny vava ve efa misy vondron’olona niofo ho vondrona mahery fihetsika sy mitam-piadiana mihitsy any amin’iny distrika iny satria mahavita mihantsy mpitandro filaminana mihitsy ? Sa ambadika politika avo lenta amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ka mandeha ny « kidnapping » mba hitakiana volabe hoenti-miatrika ny propagandy sy ny anto-bola ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap