Fasana iray indray no fantatra fa nisy namaky tao Antandrokomby, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy ny Talata 21 May alina teo izay voalaza ho nisy razana miisa 100. Ny 2 tamin’ireo razana ireo sisa no fantatra fa navelan’ireo mpanao ratsy, razana izay fantatra fa mbola lena. Ny ankoatra izay dia nofaohan’izy ireo avokoa raha araka ny fanazavan’ireo Ray aman-dReny lehibe ao an-tanana. Efa nantsoina nampahafantarina ny zava-misy moa ny tompom-pasana raha toraka izany ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Raha ny nambaran’ireo mponina moa dia mety ho tambajotra mihitsy ity mamaky fasana ao Mahitsy ity. Diso mangina loatra mantsy iny toerana iny hoy hatrany izy ireo nefa vava lalana ka tsy sarotra ho an’ireo mpanao ratsy ny manondrana avy hatrany ireo taolana…Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny tsy fandriampahalemana ao Mahitsy araka izany ny mponina indrindra fa ireo kandida hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka izay tsy tazana raha tsy amin’ny fotoana hitadiavany vato tahaka izao.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa no nihafaran’ilay fasana !
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty