airtel

Fandriampahalemana

18-janv-2024

MAHITSY AMBOHITRIMANJAKA

Rongony 116 fonosana nafenina tao anaty tranon’alika

Sample post image

Lehilahy iray 20 taona sy vehivavy iray 28 taona no voasambotry ny Polisy

18-janv-2024

misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina etsy Anosy teny Mahitsy Ambohitrimanjaka afak’omaly Talata 16 janoary tokony tamin'ny 12ora sy sasany atoandro rehefa nivarotra rongony. Tratra tao an-tranony mihitsy izy ireo rehefa nidina ifotony ny mpitandro ny filaminana. Rehefa nanotaniana ireto farany dia nanondro ny toerana fanafenan'izy ireo ny rongony hamidiny ka tratra tao anaty tranona alika teo ivelany ny rongony 116 fonosana. Tamin'ny fanadihadiana natao azy ireo dia niaiky ilay vehivavy fa azy ireo rongony tratra ireo ary hamidiny 1000ar ny fonosana iray. Fantatra fa eny Andohatapenaka no fividianana ireo rongony hamidin'izy ireo ary mahalafo 50 fonosana isan'andro izy. Ilay lehilahy kosa dia mpikirakiraka ary mividy sy mivarotra ireo rongony. Naiditra am-ponja omaly 17 Janoary izy ireo rehefa avy niatrika ny fampanoavana.
Pati
Legende : Ireto ry zareo mpivaro-drongony eny Mahitsy Ambohitrimanjaka eny !


 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap