airtel

Fandriampahalemana

15-févr-2024

MAHITSY

Fasana iray vaky, razana 3 raha kely no lasa

Sample post image

Nitrangana vaky fasana indray tao amin’ny Fokontany Ankadifotsy Ampananina,

15-févr-2024

kaominina ambanivohitra Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo ny alin'ny Talata 13 Febroary teo. Fasana 01 no vaky tamin’izany ka taolan-dava maromaro no lasa hoy ny vaovao. Razana miisa 03 raha kely no voakirakira tanteraka ka tsy nisy afa-tsy ireo lamban-drazana sisa no tavela tao am-pasana.Olona sendra nandalo maraina no nahatsikaritra izany vaovao mampalahelo izany ary nampandre ny mponina tao an-tanàna. Ireto farany indray no nampandre ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny taorian’izany ary efa misokatra ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa ankoatra ny distrikan’Arivonimamo dia anisan’ny toerana ahitana vaky fasana betsaka ny ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.
Pati
Legende : Ity ilay fasana vaky !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap