airtel

Fandriampahalemana

21-févr-2025

Mampitandrina ny mpitandro filaminana

«Aza manandrana maka sary hetsika mitam-basy akory!»

Sample post image

Mandritry ny hetsika mitam-basy ataon'ny mpitandro ny filaminana na «opération policière»,

21-févr-2025

hoy ny fampitandreman’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny seraseran’ny CIRGN omaly, dia aza manandrana maka horonantsary na «vidéo» na sary akory. Ny mpanao gazety aza esorina lavitra mihitsy, hoy ny fanazavàna. Tsy ho lafonao amidy akory iny sary sy horonantsary iny ary hahafaty anao ny fitiavana "J'aime". Misitriha an-trano, mijanòna amin'ny toerana takona! Rehefa tsy ny ao an-tranonao no idiran'ny mpitandro filaminana dia asitriho ny loha sy ny kibo! Ny bala very sy ny piti-bala na «balle perdue – ricochet» dia mety hamono ka hifanome tsiny amin'ny mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany. Tsy mitifitra ny mpitandro filaminana raha tsy efa misy ambana na tsy manaiky samborina mora ny olona tadiaviny, izay ilay hoe «menace contre eux ou riposte ou refus de coopérer». Mahavoasazy ihany koa ny mamoaka horonan-tsary na sary mpitandro filaminana manao ny asany ankoatran'ireo mpiasa matihanina nahazo alalana hanao izany, hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap