airtel

Fandriampahalemana

12-févr-2024

MANANDRIANA AVARADRANO

Lehilahy roa tratra nangalatra katsaka sy voatabia

Sample post image

Noho ny fanentanana nandritra ny tagnamaron’ny fandriampahalemana dia lehilahy

12-févr-2024

miisa roa no saron’ny fokonolona nangalatra voatabia sy katsaka teny an-tanimboly omaly Alahady 11 febroary tokony ho tamin’ny 03 ora maraina tao Ambohimpananina, Kaominina ambanivohitra Manandriana distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nalain’ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’i Sabotsy Namehana natao famotorana avy hatrany izy ireo. Efa maro ireo niharan'ny halatra voly am-potony tahaka izao tato ho ato ho an’ity distrika iray ity antony nandraisan'ny fokonolona fepetra hanao fiambenana. Rahampitso Talata moa izy roalahy ireto no hiakatra fitsarana izay marihina fa efa samy Raim-pianakaviana mamelom-bady aman-janaka avokoa.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra nangalatra katsaka sy voatabia teny an-tanimboly !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap