airtel

Fandriampahalemana

04-mars-2024

MANGARIVOTRA TOAMASINA

Tsy milamina ny fandriampahalemana

Sample post image

Tsy milamina ny fandriampahalemana ao Toamasina ao.

04-mars-2024

Ankoatra ny vaky trano sy ny vono olona dia misy hatrany ny resaka sotasota hifanaovan’ny samy olona toy ny nitranga tao Mangarivotra Toamasina afak’omaly Sabotsy alina. Toeram-pisotroana iray na bara no potika tanteraka niaraka tamin’ny kodiaran-droa na moto miisa 2. Lehilahy iray ihany koa no voavelin'ny tavoahangy saingy nahay niala. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy lehilahy iray nitondra fiara teny ivelany ka nadonany in'efatra tamin'ilay toeram-pisotroana ilay fiara antony nahasimba ilay bara sy ireo moto miisa 2 nijanona teo ivelany. Voatery niantsoana mpitandro ny filaminana mihitsy ny raharaha noho izany saingy tsy nisy ny aina nafoy na ny naratrabe. Marihina moa fa saika miainga avy amin’ny lonilonin’ireo lehilahy ao an-toerana hatrany no mahatonga ny fifandonana tahaka izao. Vao tamin’ny Zoma teo ihany koa dia lehilahy iray no fantatra fa nandrahona mpitondra tuc tuc tamin’ny basy teny an-tanany saingy rehefa vory lanona ny fokonolona dia lasa niala moramora ilay lehilahy.
Pati
Legende : Tokony hihidy amin’ny ora ara-dalana ihany koa itony bara itony hisorohana ny fifandonana tahaka izao !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap