airtel

Fandriampahalemana

01-mars-2024

Mitohy ny « kidnapping » akaiky fifidianana

Nirefodrefotra ny basy, olona 4 lasan’ny dahalo tao Brieville

Sample post image

Tsy mety foana ny fakana an-keriny any amin’iny manodidina

01-mars-2024

an’Ankazobe sy Tsaratanana ary Alaotra Mangoro iny. Vao ny faran’ny herinandro lasa teo no voalaza fa nisy olona 11 indray nalain’ny dahalo an-keriny tany amin’iny faritra Ankazobe iny, kanefa dia nisy tranga indray ihany koa tany Brieville anatin’ny Distrikan’i Tsaratanana Faritra Betsiboka, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Olona miisa 4 indray mantsy no nisy naka an-keriny tao amin’ny Fokontanin’i Tombakatsy io alarobia io tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Jiolahy miisa 7 mirongo fitaovam-piadina toy ny basy no voalaza fa nanafika, ka voatery nitsoaka ny tanana ireo mponina tao an-toerana, izay tsy nanam-po na inona na inona. Olona miisa 7 no nentin'ireo andian-jiolahy niala ny tanana, ny telo tamin'ireo no efa navotsiny rehefa tafavoaka kely ny tanana, raha ny fanamarihana. Nirefotrefotra ny basy tao anatin’izany, ka nisy ireo naratra ka nentina notsaboina tao amin'ny hopitaly Ambatondrazaka. Voalaza fa efa nandefa fandrahonana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ireo olon-dratsy hoe : Aza mampilaza fanjakana fa maty, azo omena ny Fanjakana ity laharana iantsoanay ity, raha tsy izany dia maty ireto olona nalainay ireto ! Vola tsy toko tsy forohana no takian’ireo olon-dratsy amin’ny fakana an-keriny tahaka izao, raha tarafina amin’ireo efa niseho teo aloha tany amin’iny Faritra Alaotra iny, izay misy mahatratra hatrany amin’ny 180 tapitrisa Ar. Mbola mipetraka foana ny fanontaniana hoe : fifandrifian-javatra ve ny mampirongartra ny « kidnapping » rehefa akaiky fifidianana sa misy ifandraisany amin’ny politika ? Fifandrifian-javatra sy tondro molotra ve no nahenoana anarana « assistant parlementaire » ohatra tamin’ireo fakana an-keriny tany Alaotra teo aloha ? Na izany na tsy izany, manao ranolava ny tsy fandriampahalemana satria vao ny alin’ny alarobia ihany koa no nisian’ilay fikasana hanao fanafihana tany amin’ny tanànan’Andekaleka manamorona ny RN2, ny teto an-dRenivohitra dia ny nisy ihany koa ilay fanafihana mahery vaika nahafatesana jiolahy 3 teny Andranotapahana,…
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap