airtel

Fandriampahalemana

06-oct-2026

Mitsidika eto ny

Minisitry ny tafika Frantsay

Sample post image

Manamafy ny fifehezana

06-oct-2026

stratejika aty amin’ny Ranomasina Indianina
Manao fitsidihana ofisialy an’i Madagasikara Catherine Vautrin, minisitry ny Tafika sy ny mpiady tranainy Frantsay, anio talata 06 aogositra 2026. Ao anatin’ny diany manerana ny Ranomasimbe Indiana, mifandray amin’ny iraka miaramila Pégase 2026. Raha tsy misy ny fiovana, hihaona amin’ny PRRM kolonely Michaël Randrianirina ity Minisitra Frantsay ity. Hanohy ny dinika amin’ny jeneraly Ely Razafitombo, minisitry ny Foloalindahy malagasy, izy avy eo, ary hisy ny fanolorana « drones » fiarovana an-dranomasina, fitaovana natao hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny sisintany an-dranomasina ary ny fari-dranomasina stratejika manodidina an’i Madagasikara. Tonga mivantana avy any La Réunion ny delegasiona frantsay, taorian’ny hetsika fampisehoana nataon’ny Tafika an’habakabaka sy habakabaka frantsay tao amin’ny toby ara-tafika 181 Roland Garros, Sainte-Marie. Omaly alatsinainy alina no niaingan’i Catherine Vautrin ho eto Madagasikara, niaraka tamin’ny jeneraly Ely Razafitombo sy ireo solontena malagasy nanatrika ny iraka Pégase 2026. Iray amin’ireo hetsika ara-tafika lehibe indrindra tantanan’i Frantsa any ivelan’ny taniny ny Pégase 2026. Efa andiany fahafito izy ity ary mampiseho ny fahaizan’ny tafika frantsay mandefa sy mampihetsika hery lavitra. Miaramila manodidina ny 300 no tafiditra ao anatin’izany, miaraka amin’ny fiaramanidina sivy, ahitana mpiady Rafale efatra, fiaramanidina mpamatsy solika A330 MRTT Phénix telo ary fiaramanidina fitaterana A400M Atlas roa. Nandritra ny fijanonany tany La Réunion, nanamafy i Catherine Vautrin araka ny tatitry ny Zinfos 974, fa lasa manana lanja ara-stratejika lehibe ny Lakandranon’i Mozambika, indrindra amin’izao fiovan’ny zotram-pifamoivoizana an-dranomasina vokatry ny krizy any Moyen-Orient izao. Araka ny nambarany, ilaina ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ireo firenena ao amin’ny faritra mba hiarovana ny tontolo iainana sy hiantohana ny filaminana an-dranomasina, sady hajaina tanteraka ny fiandrianam-pirenen’ny tsirairay. Nitovy fijery tamin’izany ihany koa ny minisitry ny Foloalindahy malagasy, jeneraly Ely Razafitombo, izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa ara-tafika sy ara-piarovana eo amin’ireo firenena manodidina ny Ranomasimbe Indianina, hoy ny tatitra. Nohamafisiny fa mitombo hatrany ny fanamby ateraky ny fifamoivoizana an-dranomasina, ka ilaina ny fitaovana sy ny paikady maoderina hiadiana amin’ireo loza mety hitranga. Stratejika mazava ho azy ny dian’ity Minisitra Frantsay ity, izay maneho fa manamafy ihany koa ny toerany aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Lafrantsa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

eo am-pandohalihana no nisy tifitra variraraka ! »

Card image cap
06-oct-2026

Nidina ifotony teny Namontana ny

Card image cap
06-oct-2026

Efa voasoroka, hoy ny lehiben’ny distrika

Card image cap
06-oct-2026

3 lahy vao avy nigadra anisan’ny voasambotra indray

Card image cap
06-oct-2026

Am-polony niova fo, nametraka ny basiny

Card image cap
05-oct-2026

hanaiky ny fianankaviana…

Card image cap