airtel

Fandriampahalemana

03-août-2023

Fandriampahalemana

Morafeno Toamasina Tovolahy tsy ampy taona tratra namaky trano

Sample post image

Tovolahy iray vao 17 taona monja no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Morafeno afak’omaly talata 01 aogositra

03-août-2023

tokony tamin'ny 01ora sasany maraina rehefa avy namaky trano. Polisy nanao fisafoana no nahatazana tovolahy miisa roa nitondra fahitalavitra "écran plat, marika Samsung" sy "décodeur canal +". Vao nahita ny polisy izy ireo dia nirifatra nitsoaka ny iray raha voasambotra kosa ny iray. Mbola tratra teny amin’ity farany ireo télé écran plat sy décodeur canal +. Rehefa nosavaina ihany koa izy dia mbola nahatrarana fonosan- drongony. Midoika izany raha ny zava-misy no jerena fa mifoka rongony ihany koa ireo mpamaky trano ankehitriny mialohan’ny hanaovany ny asa ratsiny, antony hahavitan’izy ireny mamono olona indraindray.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy ampy taona tratra namaky trano tao Toamasina
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap