airtel

Fandriampahalemana

28-mars-2024

MOTO NIJANONA KA VERY TETSY BEHORIRIKA

Tratra tao amin’ny trano vao amboarina teny Tanjombato

Sample post image

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

28-mars-2024

Nametraka fitarainana ny tompony ka nandray ny andraikiny nanao fikarohana ny polisy. Omaly Alarobia 27 Martsa tokony ho tamin'ny 11 ora 15 teo ho eo no tratran'ny Polisy tao amina trano iray vao amboarina ilay moto. Raha ny fantatra dia moto miasa amina orinasa iray ity moto ity ary nanatanteraka ny asany ilay nitondra azy ka nametraka ilay kodiaran-droa teo amin'ny fiantsonana ao amin'ny Ostie Behoririka ny marainan'io ihany. Rehefa nivoaka ilay olona nitondra ilay moto dia efa tsy teo intsony ilay fitaovam-pitaterana. Nojerena ny GPS ka hita fa nizotra nandeha teny tanjombato ilay lalana nitondran'ny mpangalatra azy. Nataon' ny Polisy ny fanadihadiana rehefa nahazo angom-baovao izy, ka tratra tao amin'ilay trano andalam-panamboarana ilay moto halatra, sy ny lehilahy iray 30 taona. Efa voaala avokoa ireo fitaratra (rétroviseur) teo amin'ilay moto tamin'ny fahatongavan'ny Polisy teny an-toerana, ary efa saika ho vahana avokoa ireo bilao taminy. Noentina teny amin'ny biraon'ny Polisy avy hatrany ilay jiolahy sy ny moto ka niroso tamin'ny fanadihadiana avy hatrany. Notazonina vonjimaika eo anivon'ny Polisy ity lehilahy ity ary fantatra tamin'izany ihany koa fa monina ao Mandrangobato Anosibe izy no manao izao asa ratsy izao.
Pati
Legende : Tonga hatreny Behoririka ity lehilahy ity mpangalatra moto an’olona !
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap