airtel

Fandriampahalemana

27-févr-2024

MOTO VERY TAO MAROANTSETRA

Efa novain’ireo mpangalatra ny endriny

Sample post image

Lehilahy miisa roa, 33 taona sy 27 taona no voasambotra tao Maroantsetra ny

27-févr-2024

Zoma 23 Febroary lasa teo rehefa nahazoana angom-baovao mari-pototra fa nangalatra moto an’olona. Nanaovana vela-pandrika ny nikarohana ilay moto halatra ka tokony ho tamin'ny 7 ora hariva no tratra teo akaikina trano fandraisam-bahiny iray tao amin'ny Fokontany Ankiakandrefana, kaominina ambonivohitr’i Maroantsetra ny lehilahy iray miaraka tamin'ilay moto nifampitadiavana. Noho ny fanoroan'io lehilahy io ny mpiray tsikombakomba aminy dia tratra tao amin'io fokontany io ihany koa ny namany iray izay niaraka nanao ny asa ratsy taminy. Rehefa nozahana ilay moto dia efa norakofan'ireo mpanao ratsy tamina hoditra mainty ny fitoeran-dasantsin'ity moto ity mba tsy hisy hahafantarana azy intsony kanefa fantatra ihany. Omaly Alatsinainy 26 Febroary moa no niakatra fitsarana ny raharaha.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ilay moto nangalariny !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap