airtel

Fandriampahalemana

21-févr-2024

MPAMATSY RONGONY ETO ANTANANARIVO

Efa mivarotra amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa

Sample post image

Lehilahy iray 25 taona no voasambotry ny Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena

21-févr-2024

misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelona Anosy teny Nanisana ny Sabotsy 17 Febroary rehefa nivaro-drongony tamin’nny tambajotran-tserasera Facebook. Ny voalohandohan 'ny herinandro lasa iny raha tsiahivina dia nahatsikaritra olona nanaparitaka sarina zava -mahadomelina mahery vaika tao anaty tambazotran-tserasera Facebook ireo tompon’andraikitra ao amin ' ity sampana ity. Voatery nandray fepetra avy hatrany izy ireo tamin ' ny fikarohana izay tao ambadik’izany. Natao ny vela-pandrika ka sarona tetsy Nanisana ity tovolahy iray ity. Tamin'ny fisavana azy dia mbola nahitana rongony " skunk " milanja 12 grama mahery teny aminy raha voan - drongony milanja 27 grama kosa no tratra tao amin 'ny trano fonenany. Fantatra fa avy any amin 'ny faritra Atsinanana ireo rongony ireo ka 12.000 Ar no handraisany ny iray grama ary hamidiny 15.000 Ar avy eo. Ankoatra ny fivarotana dia mamboly rongony ihany koa ny tenany, raha araka ny fanazavany. Natolotra ny Fampanoavana afak’omaly 19 Febroary 2024 ny anaolahy naiditra am - ponja vonjy maika eny Antanimora. Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra teny Nanisana !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap