airtel

Fandriampahalemana

24-mai-2024

MPANANKATO VIAVY CHILA

Nisy nanafika, entana maro no very

Sample post image

Nisy nanafika omaly Alakamisy 23 May tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro tany

24-mai-2024

ho any raha ny vaovao azo ny fiara nitondra ny mpanakanto Viavy Chila, ao anatin’ny groupe Mahangoma. Teo anelanelan’i Mandraka sy Manjakandriana tany amin’ny lalam-pirenena faharoa no nitrangan’izany. Jiolahy maromaro voalaza ho nisaron-tava no nanakan-dalana ilay fiara nentin’izy ireo no sady nanambana sy nandrahona tamin’ny fitaovam-piadiana maro samihafa. Tsy afa-nanoatra fa tsy maintsy niaro tena Viavy Chila sy ny ekipany ka very tamin’izany ny fanamiana saika hanaovan’ny ekipa sy ny entana maromaro. Na izany aza tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Marihina moa fa hiazo an’Antananarivo izy ireo no izao nisy nanafika izao saingy efa tonga soa aman-tsara ihany raha ny vaovaonay azo teo am-panoratana omaly hariva.
Pati
Legende : Fanamiana saika hanaovan’ireo ekipan’i Viavy Chila ao anatin’ny fampisehoana tahaka izao ireo very ireo !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap