ka nanao filazana ho an’izay mahita na mahafantatra ny toerana na vaovao momba ity olona ity mba hampandre ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra. Voarohirohy amin’ny raharaha “kidnapping” na fakana an-keriny tao Morarano Chrome moa izy io, ary mbola ifampitadiavana hatramin’izao, raha toa ka misy ireo voalaza fa namany efa am-polony, lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, ka anisan’izany I Zelala. Maro ny vesatra hanenjehana azy, ka raha ny voasoratra ao anatin’ny didy fampikarohana dia «enlèvement de personnes contre rançon » na fakana an-keriny olona sy fitakiana volabe tsy ara-drariny, “trafic d’influence” na karazana fanaparam-pahefana, “association des malfaiteurs” na fikambanana ao anaty vondron-jiolahy. Voalaza fa “assistant parlémentaire” an’ny depiote iray ny tenany, ary tsy mbola nisy fandisoana ofisialy mikasika izany hatramin’izao. Ny 01 martsa teo, dia mbola namoaka horonan-tsary tao amin’ny pejin’ny kliobana baolina kitra tantanany dia ny FCF Morarano Chrome, fa fanaratsiana no atao azy noho ny zavatra tsara ataony, ka ny mpanohitra no ao ambadik’izany. Io anefa fa ifampikarohana sy tsy hita popoka izy. Marihina fa mbola tsy votsotra sy tsy hita ireo olona 3 nalaina an-keriny ny 24 febroary 2023 teo.
MISY IFANDRAISANY AMINA MANAM-PAHEFANA ?
Ahiana ny ho fifandraisan’ny raharaha amin’ny olona ambony eto amin’ny firenena itony raharaha avo lenta itony. Tsy vao sambany no nisiana fakana an-keriny tao Morarano Chrome, fa ohatra iray, ny tranga ny alin’ny 13 jolay 2022, nakana an-keriny tovovavy iray vao 18 tao amin’ny fokontany Anosiboribory. Rehefa nanara-dia ny rain’ilay tovovavy dia notifirin’ireo jiolahy saingy tsy maty, ary nilaza tato aoriana fa fantany tsara ilay fiara nentin’ireo mpaka an-keriny fa an’ny vadina depiote iray eto an-dRenivohitra. Na marina ireny na diso, heverina fa tsy jiolahy tsotra sy tontankely no ao ambadik’itony raharaha “kidnapping” itony fa tena olona matanjaka ary hary fitaovana, mety manana lamosina olom-panjakana ambony, mety ho olom-boafidy manana zo tsy azo henjehina,… Sao mba efa mialokaloka any amin’ireny olona ambony ahiahiana ireny itony olona ifampitadiavana tsy hita itony. Tranga hafa efa niseho teto ny 09 desambra 2019 ny raharaha Manantena Hajanirina nifanenjehana avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza rehefa efa nokarohin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny volana martsa 2019 noho izy voatondro ho atidohan’ny fakana an-keriny an’i Armane Kamys, mpandraharaha iray ao Toamasina ny novambra 2018. Tsy azo hamaivanina raha tarafina amin’ireny ny ahiahy amin’ny fifandraisana tendro eo amin’ny manam-pahefana sasany sy ny jiolahy.
Toky R
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.