Anisan'ny toerana mafana fanaovan'ireo jiolahy ny asa ratsiny eny amin'iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny noho ny hamaroan’ireo olona mifamezivezy eny an-toerana andro aman’alina. Nohamafisina ny fisafoana natao araka izany ka jiolahy iray no tratran’ny Polisin'ny SAG ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny. Eny amin'ny tobim-piatsonan'ny taxibe Anosibe ity lehilahy ity no mijoro raha araka ny fantatra. Toy ny miandry bus izy mandritra izany ka rehefa misy fiara fitateram-bahoaka dia miditra ao anatiny misisika miaraka amin'ny olona izy. Tazan'ny Polisy anefa ny fihetsika hafahafa nataon'ity farany ka niditra an-tsehatra nisambotra azy avy hatrany iretsy voalohany. Noentina teny amin'ny Kaomisarian’i Mahamasina ity jiolahy ity nanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Tratra teny Andravoahangy omaly Alakamisy 13 Febroary vao maraimbe ireo roalahy
Nandao ny tany afak’omaly Talata 11 Febroary alina i Tafitabe ilay jiolahy mpampihorohoro ny
Lehilahy iray no tratran'ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Kaomisarian'ny Boriborintany faha 6