airtel

Fandriampahalemana

30-août-2022

Fandriampahalemana

Mpanendaka eny Behoririka Manodidina ny 19 taona eo avokoa

Sample post image

Ankizy vao erotrerony avokoa ireo mpanendaka eny Behoririka. Tovolahy kely iray vao 19 taona monja no tratra

30-août-2022

ambodiombin'ireo Polisy avy ao amin'ny 2 eme compagnie Urbaine Intervention Tsaralalana teny amin’iny faritra iny omaly alatsinainy 29 Aogositra rehefa nanao harom-paosy teny an-toerana . Tokony ho tamin'ny 11 ora sy 30 minitra teo ho eo izy no tratra. Lehilahy iray variana nanontany vidin’entana no nodominy mafy tampoka. Fantatr’ilay lehilahy fa misy mangarona ny paosiny araka izany ka niantso avy hatrany ireo Polisy izay tsy lavitra teo izy. Nitsoaka ity mpanao ratsy ity rehefa nifanenjehina ka tratran'ny Polisy ihany tsy alavitra teo. Noentina tany amin’ny birao ity farany nanaovana fanadihadiana. Araka ny fantatra tao anatin’ny fanadihadiana natao taminy dia efa fanaony izao asa ratsy izao sady efa fetsy amin'ny resaka harom-paosy izy ka tsy mifidy izay tratrany na mpiantsena io na mpandalo. Miandry ilay olona variana manontany sy hividy entana iny izy ka amin’izay no hanaovany ilay harom-paosy Eny Behoririka sy Building Ramaroson Soarano no fantatra fa toerana fanendahany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap