Itaosy ny faran’ny herinandro teo. Voarainay ihany koa, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo, ireo loharanom-baovao omenareo anay aty amin'ny kaonty Facebook. Ianareo mihorakoraka hoe eto Bemasoandro, Ambohijafy misy mpanendaka ireny fa izahay eto amin'ny borigady efa mahasambotra olona. Efa niasa mangina. Ireto avoakanay manaraka ireto ireo mampitondra faisana ireo olona eny Morarano, Ambodihady, Andramahavola, Andrafotsilahy, Antanivory sy ny hafa tsy voatanisa. Ho anareo izay mahasahy mitoroka ireny dia misaotra, misaotra, tena misaotra! Ho ela velona!Hafatra ho an'ireo mpanao asa fanendahana izay mbola tsy tratra ny hoe efa miparitaka ny nomerao ahazoana ny Borigade Itaosy. Efa hain'ny olona ny kaonty Facebook! Teneno ny ankizy ry ray aman-dreny dien'izao fa mikato-trano sy manampin-tsofina izahay rehefa tratranay ireo olona voarohirohy mampitondra faisana ireo vahoaka ireo. Ho anareo izay iharan'ny fanendahana na vaky trano, aza adino ny mandalo aty aminay manao taratasy fitarainana! Ho anareo izay efa niharan'izany tamin'ireo faritra voatondro eo ambony, ireo izy 16 lahy nanao azy ka tongava mametraka fitoriana, hoy hatrany ny borigady etsy Itaosy. 16 lahy, araka izany, no nambara fa tratra ny faran’ny herinandro teo aloha, raha ny mikasika izay mpanendaka eny Itaosy izay. Andrasana indray ny tohiny!
Nangonin’i J. Mirija
Vaky trano teny Ivandry, vaky trano tetsy Tsiadana Lehilahy iray 33 taona
Ao anatin'ny fanadihadiana ny polisim-pirenena na borigady misahana
Tena efa mivadika ho biby ny olombelona ankehitriny.