vahana ny halatra finday eto amintsika. Etsy Isotry, 67 ha, Petite vitesse, vassacos no tena foiben'izany ary tena mampitaraina fatratra ny maro tokoa. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray etsy Isotry dia mahazo finday miisa 10 isan'andro raha kely ny mpanendaka iray miasa eny an-toerana. Ireo mpiasa sy mpianatra misisika taxibe no tena lasibatra amin'izany ankoatra ireo miantsena mividy lamba...Toraka izany ireo mpandeha anaty taxibe mahazo sisim-baravarankely ka milalao finday. Tena hain'ireo mpanendaka tokoa ny manao ny asa ratsiny hoy hatrany ity mpivarotra iray ity. Ho an'ireo mitazona finday eny an-tanany dia mody domin'izy ireny mafibe ka raha vantany vao latsaka izany dia efa lasany. Misy indray ireo misintona manta tsotra izao eny an-tanana raha vao mangingina ny manodidina....Ho an'ireo manao finday any anaty poketra indray dia efa mivimbina lame kely izy ireny handidiany ny poketra mba hakany Ilay finday ao anatiny. Very miaraka amin'ny vola mihitsy ny finday matetika ho an'ity tranga farany izay mahakivy tanteraka. Ho an'ny orinasanam-pifandraisana iray nanaovana fanadihadiana teny Atsimondrano teny moa dia fantatra fa olona 20 isan'andro raha kely no tonga manolo puce ao aminy ka ny ankamaroan'ireo dia very finday nisy nanendaka avokoa.
Pati
Légende : Mirongatra ny halatra telefaonina eto amintsika !
Lehilahy iray 75 taona no voasambotry