airtel

Fandriampahalemana

09-janv-2024

Mpanendaka natahototra fitsaram-bahoaka

Nitsoraka tany anaty rano, tsy fantatra na maty na velona

Sample post image

Hay matahotra fitsaram-bahoaka ihany ireny mpanendaka ireny rehefa tena tapi-dalan-kaleha.

09-janv-2024

Mpanendaka iray omaly Alatsinainy 08 Janoary no niantso vonjy tamin’ny mpaka fasika teny amin’iny digy lalovan’i Ranon’Ikopa iny rehefa avy nanendaka vehivavy iray monina ao Anosizato Anosimahavelona. Nanohitra avy hatrany mantsy ilay vehivavy no sady niantso vonjy ka ankoatra ireo fokonolona tonga nanavotra azy dia feno mpilalao baolina kitra nitangorona ihany koa teo akaikiny. Natahotra ireto farany ilay mpanendaka ka nitsoraka tao anaty rano. Tsy nahay nilomano anefa izy nandritra izany ka nangataka famonjena tamin’ireo mpaka fasika teny an-toerana indray saingy mbola novelesin’ireto farany tamin’ny hazo. Tsy nipoitra intsony ilay mpanendaka vokatr’izany ka tsy fantatra na maty na velona.
Pati
Legende : Tety amin’ny ranon’Ikopa tety no niseho ny tantara !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap