amin’iny faritra Anosy iny mihitsy no saron’ny Polisin'ny SAG afak’omaly 07 febroary. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahatsikaritra ity lehilahy iray ity somary hafahafa fihetsika ny polisy raha nanao fisafoana sy nitandro ny filaminana teny Anosy teny. Voatery nanatona azy ny polisy noho izany saingy nandositra avy hatrany ity farany izay tsy lasa lavitra akory dia voasambotra. Fantatra moa fa tsy an’asa izy nefa be adidy, antony nanosika azy hanendaka isan’andro eny amin’iny faritra Anosy iny. Manenjika « versement » mihitsy izy mandritra izany, hoy ny loharanom-baovao azo. Ny Polisy miasa ao amin'ny CSP5 no manao fanadihadiana ity jiolahy rain-dahiny amin’ny asa fanendahana ity.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy mpanendaka eny amin’iny faritra Anosy iny !
Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana an-tsokosoko no tra-tehaky ny mpiasan’ny
Vehivavy bevohoka iray avy nivarotra, nitondra kodiaran-droa ny Alahady 12 Janoary lasa teo