airtel

Fandriampahalemana

04-mars-2024

Mpanendaka tratra teny Antanimena

Naparitany ny sasany tamin’ny vola mba hahavariana ny mpanenjika

Sample post image

Nosamborin'ny Polisin'ny CSP3 teny Antanimena ny lehilhay iray rehefa

04-mars-2024

avy nanendaka ramatoa iray tao anaty fiara fitateram-bahoaka ny sabotsy 02 martsa lasa teo, izay vola 2 000 000 Ar be izao no indray lasany. Rehefa avy nanendaka ity farany dia nitsoaka ary nifanenjehan'ny fokonolona sy ny Polisy. Naparitany teny amin'ny arabe ny ampahany tamin'ny vola mba hahavariana ny olona. Nanohy ny fanenjehana kosa anefa ny Polisy ka tra-tehaka ilay mpanendaka, hoy ny tatitra. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha, ka heverina fa ho henjana ny sazy miandry ity mpanendaka ity.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap