Misy amin’izy ireny mantsy no mahavita fihetsika mamoafady sy feno habibiana mihitsy toy ireo mitondra famaky, antsy maranitra mba hamonoana ireo olona sendra azy. Tovolahy mpanendaka iray tratra teny Isotry omaly no fantatra fa nahitana diana seringue, fitsindromana roro ny sandrin-tanany. Telolahy izy ireo no niaraka raha araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena. Tafaporitsaka anefa ny roa ka ilay ranamana ity sisa no tratra izay fantatra fa efa mpamerin-keloka hikoizana. Ireo mponina eny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny no tena mitondra faisana amin’izany ka nitaraina tamin’ny tompon’andraikitra. Vao 22 taona anefa ilay ranamana ity. Afak’omaly 30 may no tratra ny tovolahy ka hiakatra fampanoavana anio alakamisy 01 jona.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy ikoizana amin’ny asa fanendahana eny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe