airtel

Fandriampahalemana

13-janv-2026

MPANGALATRA

TETSY ANOSY

Sample post image

Tsy nisy zavatra tao anatin'ilay

13-janv-2026

sakaosy nangalariny dia niverina indray izy
Nahavariana ny maro ny zava-nitranga tetsy Anosy akaikin'ny fivarotam-boninkazo omaly Alatsinainy 12 Janoary.tokony ho tamin'ny 12 ora sy sasany atoandro. Mpangalatra iray no namaky fiara 4x4 iray ka azony tamin'izany ny kitapo tao anatiny. Rehefa nisava ilay kitapo tany aloha tany anefa ilay ranamana dia nahita fa foana tsy nisy na inona na inona ilay kitapo ka nanapa-kevitra ny hiverina indray izy. Efa tsikariny tamin'ny asa ratsy nataony tamin'ny famakiana ilay fiara tamin'ny voalohany mantsy fa nisy fahitalavitra taorianan’ilay fiara ka ity fitaovana farany indray no saika ho alainy. Noraisim-potsiny vokatr'izany ny anaolahy ka nentina nanatona ny mpitandro ny filaminana. Tsiahivina moa fa anisan'ny Faritra voasokajy ho tena mena Anosy sy Anosibe ankehitriny. Hisehoana halatra hatrany eny amin'ireo toerana roa ireo isan'andro.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny nataon'ilay mpangalatra !
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…

Card image cap