airtel

Fandriampahalemana

05-oct-2026

Mpiasan’ny Gastro

maty voatifitra Milaza tsy

Sample post image

hanaiky ny fianankaviana…

05-oct-2026

Polisy no nambaran’ny fianakavian'ireo naratra sy namoy ainy fa nitifitra ireo lehilahy mpiasan’ny gastro pizza handeha hamonjy fodiana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ny Zoma tokony ho tamin'ny 11ora alina ,raha nirava ny mpiasan’ ny Gastro Pizza Soanierana dia nandeha nanatitra ny Gérant-ny tao Namontana toeram-ponenan'ity farany ireo mpiasa.Voalaza fa olona miisa 09 izy ireo no tao anaty fiara . Niverina ny olona 07 avy eo namonjy ny fiara izay najanona teo amoron-dalana. Teo no sendra nifanehatra tamin'ny Police maromaro izy ireo hoy ny fanazavana azo. Noheverin'ireo Polisy fa jiolahy mpanao fanafihana izy 7 ireo hoy ny iray tamin'ireo nanatrika ny tranga ka avy hatrany dia raikitra ny tifitra. Nisy mbola nahavita nandohalika ny sasany ary niteny hoe "mpiasan'ny Gastro" handeha hody izahay sefo kanefa mbola voatifitra ihany hoy ny fitantaran'ny iray tamin'ireto niharam-boina. Vokany, voatifitra daholo ireo 07 ka nisy ny maty ary nisy koa ny naratra mafy . Nalefa haingana teny amin'ny hopitaly HJRA ireo maty sy naratra. Tsy manaiky ny tranga ary mikasa hanao fihetsiketsehana moa ankehitriny ny fianakavian'ireo niharan 'ny fitifirana. Miantso fandraisana andraikitra hentitra avy amin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Polisim-pirenena koa izy ireo. Tokony hahay hanavaka ny jiolahy sy ny mpiasa avy niasa ny polisy fa tsy avy hatrany dia hitifitra fahatany tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Faritra mena ny ety Namontana ka manahirana hatrany ny mifehy ireo olona mivezivezy amin’ny alina !
 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

Nisy nitondra fitaovam-piadiana

Card image cap
05-oct-2026

Nahazo ny anjarany ny tao

Card image cap
02-oct-2026

ara-dalàna, fihantsiana

Card image cap