airtel

Fandriampahalemana

30-avril-2024

Mpitondra taxi-moto

Voahendaka andro atoandro be

Sample post image

Nitrangana fanendahana Taxi moto na itony kodiaran-droa hikaramana hitateram-bahoaka

30-avril-2024

itony teny Ambohitrarahaba ny tolakandron’ny omaly, raha ny fampitam-baovao voaray. Naratra ary voatery nentina namonjy ny CHU-JRA Ampefiloha ilay mpitondra moto. Lasan'ny jiolahy ny moto G5 fotsy. Voalaza fa eny Sabotsy Namehana, akaiky Galana, eny no mpiandry mpandeha ity lasibatra ity. Ahiana ho "client" na mpanjifa nentiny ihany no nahavanon-doza nanendaka azy teny an-dalana. Faritra betsaka mpitandro ny filaminana mandrindra fifamoivoizana raha iny Ambohitrarahaba iny nefa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany mikasika ity mpitondra taxi moto voahendaka andro atoandro be ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap