airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2024

MPIVARO-DRONGONY AMIN’NY MPIANATRA

5 lahy tratra teny Andralanitra nidoboka am-ponja

Sample post image

Lehilahy miisa 05 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Poste Avancée Andralanitra

23-janv-2024

ny 19 janoary lasa teo rehefa nivarotra rongony tamin'ny mpianatra. Nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisy miasa ao amin'ny PPA Andralanitra raha tsiahivina dia nahatsikaritra mpianatra maromaro mandray zava-mahadomelina izy ireo. Rehefa nanontaniana ireto farany ny amin’ny fomba nahazoan'izy ireo ny rongony dia tsy nisalasala nanondro ny toerana nividiany izany. Fantatra tamin'izany fa teny Mahatsinjo sy Ikianja no nividianana ireo rongony ireo. Tonga teny an-toerana ny Polisy nikaroka ireo mpamatsy ka tratra tao an-tranony ireo 05 lahy mpivarotra zava-madomelona ireo. Ny lehilahy iray mbola nahitana fonosan-drongony miisa 78 sy sachet plastika feno rongony miisa 02. Ny iray hafa nahitana fonosana miisa 02. Naiditra am-ponja vonjimaika omaly izy dimy lahy ireto.
Pati
Legende : Ireto izy dimilahy sy ireo rongony namidiny !


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap