airtel

Fandriampahalemana

22-mars-2024

MPIVARO-DRONGONY ENY

TALATAMATY Mahalafo 30.000 Ar isan’andro

Sample post image

Tovolahy iray 22 taona no tra - tehaky ny Polisin'ny STUP nivarotra rongony teny Talamaty 20 Martsa teo.

22-mars-2024

Mitohy hatrany ny ady ataon'ny Polisim-pirenena amin'ny famongorana ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina tahaka izao. Tratra ambodiomby mihitsy ity tovolahy ity rehefa naharay vaovao mahakasika izany ny tompon’andraikitra. Rehefa nosavaina ny trano fonenany dia nahatratrarana rongony miisa 40 fonosana izay hamidiny 1.000Ar sy 2.000Ar ny fonosana iray. Ankoatra izay mbola nahitana rongony natao tao anaty "sachet" miisa 25 tao aminy ka hamidiny 6000Ar ny iray. Noentina avy hatrany teny amin'ny Biraon'ny Polisy ity farany nanaovana fanadihadiana ka tamin'izany no nahafantarana fa mahalafo rongony 30. 000Ar isan'andro ity tovolahy ity. Efa naiditra am-ponja vonjimaika omaly moa ny anaolahy rehefa avy nohenoina teo anivon’ny fampanoavana.
Pati
Legende : Efa maka aina any am-pigadrana ity tovolahy tratra nivaro-drongony ity !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap