airtel

Fandriampahalemana

29-déc-2023

NIHANIKA VAVAHADIN’OLONA

Voasaringotry ny vy, noraisim-potsiny ilay tovolahy

Sample post image

Aza mba manao ratsy ihany amin’ity tany fandalovana ity.

29-déc-2023

Matetika mantsy dia zavatra tsy hampoizina no mampiseho tampoka ny marina.Tovolahy kely iray manodidina ny 19 na 20 taona eo ho eo no tratra nihanika vavahadin’olona omaly teny Ampasika Itaosy teny. Natahotra mafy anefa izy nandritra izany ka saika hitsoaka kinanjo voasaringotry ny vy ny akanjony ka noraisim-potsiny. Ireo zandary manao fisafoana toy ny mahazatra no nahatratra ilay ranamana ity ka nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana izy. Tsiahivina moa fa tena mirongatra sy mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eny Itaosy eny amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra manoloana izany ka tsy foanana olona ao an-tanana raha azo hatao.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana kely !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap