airtel

Fandriampahalemana

04-août-2026

Olona nampiahiahy

tao Tsinjoarivo

Sample post image

Roalahy nosamborin'ny Zandary sy Fokonolona

04-août-2026

Nisahotaka ny olona tao Tsinjoarivo Ambatolampy omaly rehefa naheno antso vonjy nataon'ny ankizy mpiandry omby fa hoe : misy manenjika izy ireo. Raikitra ny fanenjehana ireo olona nampiahiahy nataon'ny Fokonolona nampian'ny zandary. Roalahy no azo sambo-belona, naratra voatifitra teo amin'ny fe na izany aza ny iray. Nolanjaina namonjy tobim-pahasalamana tao Tsinjoarivo notsaboina vonjimaika ilay naratra nialoha ny nitondrana azy ireo nankany amin'ny tobin'ny zandary ao Antsampandrano, hanaovana famotorana azy ireo. Nahitana vola sy volamena tany amin'izy ireo. Ao ny milaza fa dahalo nanafika mpitrandraka volamena ireto tratra ireo, tao koa no niahiahy sao mba mpangalatr'olona. Ny fanadihadiana ataon'ny zandary anefa no tena hahafantarana ny nahatongavan'ireo olona ireo tany Tsinjoarivo.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
18-sept-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika

Card image cap
17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap