airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2026

OPÉRATION MAHOMBY –

VAKINANKARATRA

Sample post image

Olona 13 isa nosamborin'ny zandarimariam-pirenena

23-janv-2026

Mitohy hatrany ny ezaka hataon'ny Polisim-pirenena hiadina amin'ireo karazana tranga tsy fandriampahalemana miseho manerana ny Nosy. Tao anatin’ny herinandro, ho an'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vakinankaratra manokana dia olona miisa 13 no voasambotry ny Polisim-pirenena noho ny asa ratsy samihafa nataony. Zatovolahy miisa valo (08), malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy harom-paosy, no tratra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny tao Antsirabe. Lehilahy miisa efatra ihany koa no voasambotra teo am-pidorohana rongony, nandritra ny fisafoana any anaty tanàna nataon’ny Polisy nanao fisafoana. Lehilahy iray hafa kosa no tratra nitazona basy tsy ara-dalàna, niaraka tamin’ny bala miisa enina (06). Mbola hita teny aminy ihany koa ny vola sandoka 20.000 ariary miisa dimy (05), izay saika hoaparitaka teny an-tsena. Nanokafan’ny Polisim-pirenena fanadihadiana izy ireo mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.
Pati
Légende : Ireto izy 13 mianadahy mianaka !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap