airtel

Fandriampahalemana

17-févr-2025

PARAKY SY 67 HA

Jiolahy roa indray lavon’ny polisy

Sample post image

Jiolahy miisa roa efa mpamerin-keloka amin’ny resaka fanendahana mampiasa

17-févr-2025

fitaovam-piadiana no lavon’ny SAG tetsy Paraky sy teny 67 ha ny Zoma 14 Febroary lasa teo. Olon-dratsy samy efa mampikolay ny mponina eny amin’ny faritra misy azy ireto lavo ireto ary efa nokarohina efa ela no izao nifanehatra tamin’ny Polisin’ny SAG izao. Mbola nanohitra sy nikasa hampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ihany izy ireo nandritra izany fa tsy nety nilavo lefona ka voatery nitifitra ny polisy. Mbola misy naman’izy ireo karohina koa. Mpanendaka sady mpanao sinto-mahery roa hafa ihany koa no azon’ny Polisin’ny SAG sambo-belona teny Isotry raha tratra ambodiomby teo am-panendahana mpiantsena ny Sabotsy 15 Febroary 2025. Noraisim-potsiny ireto roalahy ireto ary tsy afa-nanohitra intsony. Pati
Legende : Nahazo saran-dalana ho an’ny varo tsy mifody ireto jiolahy roa ireto !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap