airtel

Fandriampahalemana

08-mars-2024

POLISIM-PIRENENA

Tsara raha mifanakara amin’ny hatsaran’ny trano ny fomba fiasa

Sample post image

Nahazo toeram-piasana vaovao be ny fitaleavam-paritry

08-mars-2024

ny polisim-pirenena faritra Atsinanana. Ahitana birao, toerana fandraisana olona, toeram-piasana any ambony rihana, trano lehibe fivoriana mbola miampy trano iray mitokana fonenan’ny talem-paritry ny filainam-bahaka ity foto-drafitrasa vaovao ao Beryl Rouge Toamasina amina velaran-tany 2000 m² vao notokanana ity.Nipoapoaka aok’izany ny kabary nifandimbiasana tany an-toerana, samy nilokaloka na ny minisitry ny filaminam-bahoaka, na ny talem-paritry ny polisim-pirenena fa tena hiasa araka ny tokony ho izy . Tsy hikely soroka sy tsy hitandro hasasarana, hiezaka hampanjaka ny lalàna,ny rariny , ny hitsiny hanome ny tsara indrindra ho fiarovana ny andrim-panjakana sy ny vahoaka tsy mandady harona, izahay hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka. Hadio sy hangaraharaha ny fitantanana ato, hoy ireo tompon’andraikitra .

KOLIKOLY MISEHO MASOANDRO
Raha izany tokoa moa haninona fa ny iainana isan’andro aloha, na aiza na aiza toerana aleha dia tena mampiteny ny moana ny fitakiana vola ataon’ny polisy. Tena mampikolay olona amin’izany ireo polisy ambara fa mandrindra ny fifamoivoizana. Raha ho an’ny eto Antananarivo renivohitra manokana dia efa tena tsy menatra intsony mihitsy ireo polisy mitaky vola amin’ny mpamily fiara, imasom-bahoaka amin’ny andro mazava be. Tahaka ny hoe efa fandoavam-bola fanao isaky ny mihaona mihitsy ilay izy. Ka rehefa mametraka dia milamina ny resaka, tsy hay na ara-dalàna ny taratasin’io fiara io na tsia. Tsy fantatra hoe fa iza sy inona daholo ny olona sy entana entiny, fa rehefa mametraka kely dia izay aloha. Ny zava-doza amin’ity resaka ity dia ilay izy tahaka ny efa lasa fomba amam-panao ka heverina hoe mety.Kolikoly tena mivantana anefa izany, melohan’ny lalàna velona. Na misy aza ireo alaim-panahy manolotra vola, raha tena hiasa madio sy mangaraharaha marina araka ny kabarin’ny lehibeny ny polisy dia tsy mandray ary manana adidy hananatra na hisambotra mihitsy aza ireo mpanao kolikly mitady hanambitamby na hividy mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany. Raha hanadihady ny polisin’ny polisy , tsy sarotra fa miresaka fotsiny amin’ny mpamily taxi be sy ireo kamiao vaventy mifamezivezy eraky ny tanàna dia mipoitra eo ny marina rehetra sy ny hoe iza no manao inona.

RTT
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap