airtel

Fandriampahalemana

05-oct-2026

Polisy, afera

mpiasan’ny Gastro maty voatifitra

Sample post image

Nisy nitondra fitaovam-piadiana

05-oct-2026

sy tsy nety nijanona ! »
Maty voatifitry ny polisy ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo i FANOMEZANTSOA Nomenjanahary Jean Christophe, mpiasan’ny Gastro Soanierana, izay isan’ny tafiditra tao anaty fifanjevoana hafahaa. Na dia niezahana novonjena teny amin’ny hopitaly aza izy dia tsy nahatana ny ratra nahazo azy, ka namoy ny ainy. Ankoatra azy dia mbola nisy ireo mpiara-miasa taminy naratra mafy, ka manaraka fitsaboana. Fantatra fa mpiasa maromaro avy tao amin’ny Gastro Soanierana no niara-nody rehefa tapitra ny asany. Raha ny fanazavana vonjimaika, 9 izy ireo no tao anatin’ilay vondrona, ary 7 tamin’izy ireo no efa teo amin’ny fiara nijanona amoron-dalana talohan’ny nisehoan’ny fifandonana tamin’ireo ekipan’ny UIR. Tao anatin’ny fotoana fohy dia niova tanteraka ny zava-drehetra, satria nivadika poa-basy sy ny antso vonjy. Antso vonjy miisa 2 moa no voalaza fa voarain’ny polisy tamin'io, dia avy tamin'ilay niharam-boina sy olon-tsotra nampita vaovao tamin'ny Polisim-pirenena. Rehefa tonga teny an-toerana ny Polisim-pirenena avy amin'ny UIR dia nifanehatra tamin'andian'olona izay nisy nitondra fitaovam-piadiana, hoy ny Polisy. Manoloana izany dia nanome baiko azy ireo mba hijanona ny Polisy saingy tsy nanatanteraka izany ireo olona ireo. Nisy fifanjevoana noho izany ka naharatrana olona ary indrisy fa nisy iray tsy tana ny ainy na dia nentina tany amin'ny Hopitaly aza. Fantatra ihany koa fa nisy tafandositra niala teo amin'io toerana io ny sasany tamin'ireo olona ireo ka mbola karohina hatramin'izao. Efa nalaina am-bavany moa ilay olona voaendaka izay niantso vonjy tamin'ity raharaha ity ary nanamafy fa mitovitovy fihetsika tamin'ireo olona voakasika ireo ny nanendaka azy. Mifamahofaho tanteraka, ka hisorohana indrindra ny kiantranoantrano dia manatanteraka fanadihadiana sy famotorana malalaka amin'ity raharaha ity ihany koa ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena, ankoatra ny zandarimariam-pirenena. Etsy ankilany, nambara fa tsaho ny filazana tamin’ny tambajotra sosialy fa mamo ireo polisy voakasika amin’ny raharaha, ary nambara fa handray fepetra manoloana ny fanaparitahana vaovao tsy marina ny tompon’andraikitra. Notsiahivina fa faritra efa malaza amin’ny fisian’ny asa ratsy miverimberina rahateo ny mnamorona an’Anosibe, Andavamamba, Namontana, Ouest Mananjara ary Soanierana. Noho ireo tranga fanendahana sy fanafihana mitranga matetika, anisan’izany ny naharatrana mpitandro filaminana teny Tranodimy Anosipatrana vao haingana, dia nohamafisina ny fahamalinan’ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohiny…
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

hanaiky ny fianankaviana…

Card image cap
05-oct-2026

Nahazo ny anjarany ny tao

Card image cap
02-oct-2026

ara-dalàna, fihantsiana

Card image cap