Efa nisy ny baiko hentitra, ary efa samy mandray andraikitra tanteraka ny Minisitera sy ireo departemanta voakasika, raha ny nambaran’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison omaly, manoloana ny raharaha fanjavonana sy faty olona. Marina fa mbola misy tokoa ny tranga, saingy hanao tatitra izy ireo izay voafaritra fa omaly na anio, ka eo no ahitana na nitombo na nihena, araka ny nambaran’ny Lehiben’ny governemanta. « Izay tratra dia eo ny Fitsarana, tsy hananana indrafo, tsy hisy afaka hanao fanelanelanana sao sanatrian’ny vava hiaro havany tratra manao an’io fa tena hihatra ny lalàna », hoy ny Praiminisitra. Tsy maintsy tazonina ho tsiambaratelo ny fanadihadiana mba hampandeha tsara azy satria raha mivoaka mialoha, dia lasa manampy ilay olon-dratsy hanafina ny porofo, ka tsy mety ny tonga dia ho be resaka mialohan’ny fanadihadiana, hoy ny Praiminisitra. Andaniny, mbola misy aloha ireo tranga na mety nihena aza. Isan’ny nisongadina sy nahitana ilay tanora vao erotrerony Andriamasinavalona Ny Aina Liantsoa ny alatsinainy teo, izay efa ny vatana mangatsiakany sisa hita. Izy moa ilay efa nanaovana ombay mitady nanomboka tamin'ny 15 jolay 2026 hariva. Teny Tanjonandriana Ambohimanambola no toerana nahitana azy farany tamin'izany raha tsiahivina, ary hita faty teny amin’ny reniranon’i Ikopa. Raha ny filazan'ny fianakaviany omaly, dia nahitana mangana ny fihirifany; heverina arak'izany fa nokapohina tamina zavatra mafy izy. Mbola ra velona no nivoaka tamin'ny sofiny sy ny vavany hoy ny fianakaviana. Niezaka namonjy ny dokotera saingy efa tsy nety intsony. Tsy nisy rano tao nivoaka taminy, izay toa midika fa efa maty izy no natsipy tao anaty rano. 48 ora teo ho eo ny vatana mangatsiakan'i Ny Aina no nilona tao anaty rano raha ny tombatomban'ny mpitsabo hoy hatrany ny fianakaviany. Mihevitra ireto farany fa notazonina tamina toerana iray izy ka nampijaliana sy nodarohana ary novonoina ho faty avy eo
HITA FATY I DR HORTENSIA
Hita faty omaly kosa ilay dokotera vao 27 taona, Hortensia Mandrosovoatra Avotriniaina, izay mipetraka ao Fianarantsoa izy fa nandeha tany amin'ny Park Ranomafana ary izay no nahitana azy farany. Tao anaty rano, tao amin'ny «chute Andriamamovoka, no nahitàna azy. Iray volana mahary izay no nisy an’ilay tovovavy mpizadraharaha ho mpitsabo mpanampy vao 16 taona izay nisy nanolana sy namono hita faty ny 12 jona, dia ity indray misy mpitsabo vao vita fianarana sy nandray ny asany vao tsy ela, saingy tafita vao rendrika. Mbola baraingo ny nahafatesany na eo aza ny filazana fa nanana olana lehibe ara-tsaina izy, ka ny fanadihadiana no hamaritra ny tena marina.
HO FANTARA VE NY ATIDOHA ?
Ankoatra izay, mbola misy ireo filazana tsy fahitana olona miparitaka na mety nihena aza. Mailo sy hendratra kosa ny fiarahamonina vao misy tranga mampiahiahy, ary misy aza no miantso fitsaram-bahoaka avy hatrany. Nangotraka ohatra ny tranga teny Mahazo, teo amin’ny Ravinala ny alahady teo rehefa nisy olona nahiana ho nangala-jaza, nampiditra zaza tao anaty fiara miloko mainty. Voalaza fa mbola naitana seringue sy zavatra toy ny ranomanitra. Naratra mafy ilay lehilahy, raha voa saingy tsy dia naninona ilay vehivavy niaraka taminy, izay saika ratsy raha tsy tonga ny mpitandro filaminana. Ny fiara potika tanteraka rehefa norotahan’ny olona,… Andrasana izany ny tatitra ofisialy manodidina ity raharaha ity hoe : hivoaka amin’ny alalan’ireny olona efa ho am-polony voasambotra ireny ve ny marina sy ny tena atidoha ?
Toky R