airtel

Fandriampahalemana

06-oct-2026

Raharaha Namontana

Mandeha ny fanadihadiana roa sosona…

Sample post image

Nidina ifotony teny Namontana ny

06-oct-2026

Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona omaly alatsinainy 05 oktobra 2026, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena, taorian’ilay tranga nampalahelo, savorovoro nahafatesana sy naharatrana olona. Tanjona tamin’izany fidinana an-toerana izany, hoy ny tatitra, ny hijery akaiky ny zava-nisy sy hanangona ireo vaovao rehetra ilaina amin’ny famaritana ny marina momba ny raharaha. Nandritra ny fanazavana nataony, nambaran’ny Lehiben’ny Fampanoavana fa efa nanokatra fanadihadiana roa miavaka ny Fampanoavana. Ny voalohany dia mifandraika amin’ilay fitoriana momba ny faharatrana izay efa voarain’ny Polisim-pirenena sy nanaovana ny dingana fanadihadiana mialoha. Ny faharoa kosa dia mikasika ny fanadihadiana ny mety ho fisian’ny tsy fahatomombanana na tsy fanatanterahan’andraikitra araka ny tokony ho izy teo amin’ny fiasan’ireo mpitandro filaminana nandritra ny fisehon’ny tranga. Nohamafisin’ny Fampanoavana fa tsy maintsy avela hiasa malalaka sy amim-pahaleovantena ny fanadihadiana mba hahafahana mamantatra marina ny zava-nitranga sy ny anjara andraikitry ny tsirairay voakasika amin’ity raharaha ity. Anisan’ny hojerena amin’izany ny fizotry ny fandraisana andraikitra, ny fepetra noraisina teny an-toerana ary ireo anton-javatra rehetra mety ho nitarika ny vokatra nahafaty sy nandratra olona. Eo am-piandrasana ny fehin-kevitry ny fanadihadiana dia nanentana ny rehetra ny tompon’andraikitra mba hanaja ny fizotry ny raharaha sy hialana amin’ny fanapahan-kevitra mialoha. Raha ny nambaran’ny Fampanoavana dia ny valin’ny fanadihadiana sy ireo porofo voaangona no hitarika ny fanapahan-kevitra ara-pitsarana manaraka, ka hamaritra mazava ny andraikitry ny tsirairay sy ny tohiny amin’ity raharaha mampihetsi-po ny maro ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

Manamafy ny fifehezana

Card image cap
06-oct-2026

eo am-pandohalihana no nisy tifitra variraraka ! »

Card image cap
06-oct-2026

Efa voasoroka, hoy ny lehiben’ny distrika

Card image cap
06-oct-2026

3 lahy vao avy nigadra anisan’ny voasambotra indray

Card image cap
06-oct-2026

Am-polony niova fo, nametraka ny basiny

Card image cap
05-oct-2026

hanaiky ny fianankaviana…

Card image cap