airtel

Fandriampahalemana

24-janv-2024

RANOHIRA

Tsy nisy naka ny fatin’ireo lehilahy roa nisy nanapa-doha

Sample post image

Nahitana fatin-dehilahy roalahy tapa-doha tao amin’ny fokontany Ambatomainty Kaominina

24-janv-2024

ambanivohitra Ranohira, distrikan’i Toliara II afak’omaly Alatsinainy 22 janoary. Tombanana ho manodidina ny 24 sy 28 taona eo ho eo izy roalahy ireto raha araka ny loharanom-baovao azo ary niaraka mba hitady karama na hiasa saingy nifanena tamin’ny olon-dratsy. Na izany aza tsy nisy ny famantarana manokana nahafantarana azy ireo teny aminy. Raha araka ny fizahana nataon'ny mpitsabo dia efa tamin’ny Alahady lasa teo no namonoana azy roalahy ireto ka nakana ny lohany. Nandrasana tao amin’ny tranom-pokonolona ao Ranohira ny razana ary nalevina omaly Talata 23 Janoary rehefa tsy nisy tonga naka azy ireo ny havany. Tsy mbola nisy rahateo ny vaovao niely fa nisy fianakaviana nanan-kavana tsy hita na nanjavona tany amin’iny distrikan’i Ranohira iny. Tsiahivina moa fa nahazo vahana tanteraka ny fanapahana lohan’olona tato ho ato teto amintsika. Tsy nijanona tany amin’ny faritra Atsimo ihany izany fa tonga hatreto an-drenivohitra mihitsy izay tokony hanaovana fanadihadiana lalina.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy hita faty nisy nanapa-doha !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap